Chauffeur - CR Maroharona - Faritra Bongolava
23/06/2025 |
Association ankohonana sahirana arenina (asa) |
Contrat Contrat à durée indéterminée |
Date limite de candidature :
03 Juillet 2025 |
CR Maroharona - Faritra Bongolava

Ankohonana Sahirana Arenina (ASA), Association malgache reconnue d’utilité publique, mène des activités spécifiques dans le domaine de l’action sociale et de la réinsertion en faveur des familles marginalisées et démunies de la population malgache. Créée en 1991. Elle contribue à la réalisation de la politique nationale en matière de lutte contre la pauvreté en vue du développement économique et social durable.

Ny Fikambanana ASA dia mitady mpiasa ho
MPAMILY
(Mitoetra any Ampasipotsy, CR Maroharona, Faritra Bongolava)
Filazalazana momba ny andraikitra :
Eo ambany fanaraha-mason’ny Assistant Administratif et Financier an’ny ZMA, ireto avy ireo asa ataon’ny Mpamily:
- Manaja ny lalan’ny fifamoivoizana sy mitondra ny fiara nampiandraiketina azy am-pahamalinana
- Mitandro hatrany ny fahadiovan’ny fiara sy ny fikarakarana azy
- Mandray an-tanana ny fikojakojana sy ny fanaraha-maso ary mampahafantatra ireo tompon’andraikitra izay zava-misy eo amin’ny fiara
- Mameno ireo antontan-taratasy ilaina ahafahan’ny fiara mivezivezy (carnet de bord)
- Miantoka tanteraka ny ain’ireo mpandeha sy ireo entana entina mandritra ny dia atao
Ireo andraikitra voatanisa ireo dia tsy voafetra, fa mety hisy fiovana arakarak’izay filàn’ny asa

Traikefa arak’asa 3 taona farafahakeliny amin’ny asa familiana ;
Fahazoan-dalana mitondra fiara A, B sy D ;
Fahalalana amin’ny ankapobeny amin’ny resaka mekanika;
Fahafehezana ny lalàn’ny fifamoivoizana ;
Fananana toetra hentitra, mahitsy sy manara-dalàna, tompon’andraikitra amin’ny asa atao, mahay mandamina asa ary mahay miara-miasa amin’ny ekipa ;
Afaka miaina tsara sy zatra miaina amin’ny tontolo ambanivohitra ;
Fahaizana miteny frantsay amin’ny ankapobeny sy mahazo resaka tsara.
Raha hitanao fa mifandraika aminao ireo voalaza ireo dia, afaka mandefa ireto antontan-taratasy manaraka ireto ianao:
• Taratasy fangatahan’asa alefa amin’ny Tale Mpanatanteraka ny fikambanana ASA ;
• Curriculum vitae mazava tsara (miaraka amin’ny sary tapaka vao haingana, laharana finday ahafahana miantso anao avy hatrany) ahafahana mahita ny traikefan’ny mpifaninana mifanaraka amin’ny asa tadiavina;
• Lettre de motivation ;
• Dika mitovin’ny fahazoan-dalana hamily (permis de conduire).
amin’ny anaran’ny Responsable des Ressources Humaines farafahatarany ny 03 juillet 2025 amin’ny 3 ora tolakandro.
Référence
Recrutement Chauffeur